Citation sur la mort
« Ce n'est pas la mort qui nous prend ceux que nous
aimons ; elle nous les garde au contraire et les fixe dans leur jeunesse
adorable : la mort est le sel de notre amour ; c'est la vie qui dissout l'amour. »
François Mauriac
page principale
A lire : y a-t-il une vie après la mort
4 Commentaires |
0 Trackbacks

mahalasa saina izy izany.
Ny ahy ny mahafinaritra ahy dia ilay hoe :" la mort n'est pas à craindre, quand elle vient, on n'est plus là pour la sentir, quand elle n'est pas là c'est qu'on est encore en vie"
I Epicure no nilaza io raha tsy diso aho.
Posté par maintikely — 25 Fé 2008, 16:29
tena milay sy marina io lazainao io ! ie i Epicure mitsy no nilaza azy dia nampiany hoe:" Ainsi le plus terrifiant des maux, la mort, n'est rien par rapport à nous, puisque, quand nous sommes, la mort n'est pas là, et, quand la mort est là, nous ne sommes plus".
Posté par istraky — 25 Fé 2008, 16:41
Ka iza no tsy matahotra ny ho faty? resaka be io fa mety raha sainina fa mapmpihoron-koditra rahefa iainana e! Ny foto-pisainana "carpe diem", tondra anio manan-jara milaza tsy matahotra ny fahafatesana koa anie tsy dia azo ianteherana loatra e! satria ny tena mampangitakitaka ny olona tsy ny amin'ity fiainana ity fa izay ao am-badika (an-koatra) izay mifono mistery!
marina fa mi-subir (miala tsiny am variaminanana) isika na ny fahafatesan'ny hafa na ny antsika rahatrizay! fa na izany aza mitady ny fanafodiny mandrakariva!
Ny an'i Mauriac lazain'i Chryss io dia jerena amin'ny finoana fa ankoatr'ity fiainana ity mbola misy fihaonana amin'ny olon-tiana, hany ka tsy mety hafangaro amin'ny an'i Epicure : ataovy izay danin'ny kibo fa fandalovana ny ety! Tapitra ny ety dia samy miala!!!!
Posté par harilova — 25 Fé 2008, 16:57
Mampitsiriritra ahy ny faharahanareo ny literatiora izany. Izaho tia fa tsy dia manana tadidy firy loatra.
Fa n'inona anefa lazain'ny manan-kambara izay heverina ho fandaminan-tsaina ihany dia tsy mety fa marary foana rehefa misara-maty. Hitanareo fa ny kabary amin'ny fahoriana dia tsianjery ny hoe : "tsy ny faty no mahafaly fa ny fijoroanareo..." sy ny hoe "tsy misy mampionona aza mionona mainka fa..." - Rhefa atao ny kajy dia mafy ary marary ny hidonam-pahoriana fa dia ezaka lehibe ny mitràka sy ny mizàka ilay fahoriana !
Ny hoe any ankoatra mantsy dia tsy hita horesahina. Na mahalala fivavahana aza aho dia tsy te-hieritreritra an'izany. Izay ifanasoavana raha mbola velona no tanjoko. Izay no tsy iadivako loatra an'ilay hoe "miray karandoha" e !
Posté par Tsikisariaka — 26 Fé 2008, 09:07