Blog de Chryss

10 Mar, 2008

Tsiambara7 avy amin'Chryss

Loisir — Posté par istraky @ 09:39

Niniako natao t@teny malagasy ity zavatra ity fa miavaka mihitsy. Ity ngamba no lahatsoratra voalohany nataoko tamin’ny teny Malagasy nahafinaritra ahy mihitsy ny nanao azy. Dia rakatra ihany ‘ty ny tsiambaratelo zalah fa notaggén’i Simp, ka ‘izao aleo fa holazaina fa aza tenitenenina @olon-kafa an ! Resaka torimaso no tena ho tantaraiko aminareo eto (aza matory eo am-pamakiana azy….)

 -          Ny tena marina mantsy dia olona tsy dé tia mifoha maraina izay za, ka efa  maneno in-3 io réveil io izay za vao mitsangana na dia efa nolazain’ny olona foana aza oe « aleo mandeha dia ny malaina…. »

-          Ny mahagaga anefa dia za tsy dia tia torimaso loatra fa t@ ty taona ty zao mbola tsy natory talohan’ny 11 alina nefa tsy hoe miasa alina fa  milalao ordinatera fotsiny.

-          Nefa za koa tsy tia matory atoandro fa mampanofy ratsy ana mihitsy io, sady mavesatra be ny loha avy eo no fanim-panina izany, sa tsy mahita an’izany ve nareo e ??????

-          ‘zaho dé tia zavatra menamena (loko menamena mantsy e), manana ambony akanjo efa ho fito (isa masina) za aho menamena daholo. Izay mahita ny sariko dia vaky vava mihitsy oe tsy mba miova akanjo leiry zany ! asa nareo raha mba manana loko fétiche ohatr’izany.

-          Saro-kenatra tsy dia be resaka ‘zay za amin’ny voalohany fa raha vao ampiresahana dia tsy mety tapitra mihitsy ;

-          Tsy mifoka sigara(ohatran'ikalakely) za hatramin’izay (fa tsy kroa ble ohatran'iHarilova) fa tato ato « stréssé be » foana dia mandray kely sady miaraka @ndry zalah mpifoka koa… mba omeo torohevitra hoe ialana @Stress sy ny fankam-panahy @sigara … !

-          ‘zà koa dia tena mitovy amin’i Simp mihitsy @ io fahatarana lava io ! indraindray aza tara adin’1 mitsy, (nefa tsy fanahiniako io an ! fa misy zavatra tampotampoka foana mahatara) nefa za tsy tia ampiandrasina mitsy fa tonga dé mimenomenona.

 
‘Zay angamba fa sao dia lava be eo indray fa araka ‘lay voalazako teo (5) dia be resaka raha vao ampiresahana. Misaotra an’lé niTaggé fa ny blem zao tsy hitako intsony izay ho-taggé-vana fa efa tratra daholo ry zalah ! dia miandry ny coms !


Commentaires

  1. Faly mafantatranao Chrysss , sady voalohany namaky blaoginao aho, sady tonga dia any @ secrets !!
    Zà dray tsy misy torimaso mihitsiny depuis , ry ikalakely makony mampiasa be lotra (hihihihihihi) oui Madâme! Raha ohatra ianao mahita formule dia alefaso aingana dia homeko eto ny momban'ny stress-ko.
    Rehefa manomboka stressé iny ianao dia aza adino maka souffle, inspiration tsaaaaaara, dia expiiiiration tsara. Maka pause kely mihitsiny dia aza miheritreritra intsony....pour quelques secondes. Oxygenation....

    Zay ary aloha fa faly namakymaky teto

    Bizes

    Posté par jogany — 10 Mar 2008, 10:22

  2. pissoa
  3. Faly mahafantatra an'i Chrysss.

    Fa mifoha amin'ny firy aloha izany hoe "mifoha maraina" e ? Raha matory amin'ny 11 izany anie toa mbola aloloha ihany e, fa saingy hoe miankina ami'ilay ora hifohazana. lol.

    Posté par pissoa — 10 Mar 2008, 11:24

  4. faly mahafantatra an'i chryss izany. Raha ny fahazoako azy dia AREMA tamin'ny andron'ingahy amiraly ianao havako e! :-P amin'ilay lobaka mena, lol
    ...Sa rouge avant d'être expert toa an'ingahy filohan'ny mafana ? :-P
    Vazivazy izany an !
    Ento mora fa hiverina ihany ilay tsy mifoka tsy migoka lesy e.

    Posté par ikalamako — 10 Mar 2008, 11:36

  5. faly mahafantatra lesy chryss a!

    Posté par news2dago — 10 Mar 2008, 11:41

  6. Raha ny fahitako, ny olona tara lava tsy dia stressé.
    Kanefa raha efa tara lava no mbola stressé, tsy aleo ve aloha manao tsy tara lava dia maka fotoana hilaminan-tsaina ?

    Posté par lap — 10 Mar 2008, 12:27

  7. Misaotra betsaka an'i Chryss o!
    za kou manana polo 2 sy T-shirt 2 menamena ;-)

    lap,
    aretina lesy le fahatarana ny tena marina a. Ilay olona mpanao "laisser-aller", otr'ahy, no matetika tara lava. Zany hoe mila fiezahana fotsiny d efa manja...

    Posté par simp — 10 Mar 2008, 13:10

  8. Misaotra e!
    Ny fanafodin'ilay sigara: siligaoma! sady mora kokoa no sûr fa tsy hahalany iray paké isan'andro hianao, satria na te-handrapaka foana aza, reraka ny vava mitsakotsako 24/24! Andramo dia ho hitanao!

    Posté par Lalasoa — 10 Mar 2008, 13:28

  9. chryss a mitovy amin akama rht eto toi zany kou
    ilaozana mamangy ny akama eto am blaogy de am 11 vao matory

    Posté par sazykely — 10 Mar 2008, 15:19

  10. misaotra tamin'ny coms rehetra, faly mahafantatra anareo rehetra. Efa mpandalo ao @ blog nareo za na tsy mametraka com aza indraindray.
    jogany >> andramako arahina ireo torohevitra ireo.
    pissoa >> @ 5h za mifoha fa tato ato tena niari-tory be mitsy t@adidy isan-karazany. Eo koa ny fijerena baolina (champion's league).
    ikalamako >> efa saika arema iany fa lé kintana fotsy no tsy nisy.
    news2dago >> misaotra nitsidika
    lap sy simp >> tena aretina marina lé tara lava fa ezahina manokana mitsy io (résolution 2008)
    lalasoa >> mankarary tenda hono ny siligaoma fa mety andramako iany.
    sazykely >> za mahay gitara ra hianatra

    Posté par chryss — 10 Mar 2008, 15:32

  11. za mitsidika foana ka! marina e!
    tsy mamela hafatra indraindray

    Posté par news2dago — 10 Mar 2008, 16:46

  12. harilova
  13. Faly fantatr'i Chryss izany e! sa istraky moa!
    Ny fanafodin'ny sigara dia ny tsy mifoka e!
    Ny hahafahana tsy mifoka dia tsy mividy ary tsy mangataka! ny hahafahana tsy mividy dia tsy mankeny amin'ny mpivarotra sady tsy maniraka olona!
    Raha tsy te janiraka olona dia aza lazaina na iza na iza fa te hiala sigara ianao!
    Fa rehefa te hiala ianao vita io! tsy mila siligaoma!
    Dia faly mahafantatra anao ihany koa izany e!
    Ny mampalahelo ahy fotsiny dia ianao tsy tia torimaso atoandro nefa io ny ahy no tena ankafiziko! ambaratelo anampiako ny tary'

    Posté par harilova — 10 Mar 2008, 18:41

  14. pissoa
  15. Hay ve amin'ny dimy dia efa mifoha e, hi hi hi. Miara-mifoha amin'ny Olo-mazoto izany !

    Posté par pissoa — 10 Mar 2008, 19:45

  16. faly mahafantatra tokoa e!

    za koa mamaky fôna na de tsy tafametraka hafatra aza

    Posté par Tokinao — 10 Mar 2008, 23:56

  17. faly mahafantatra ô!
    za koa mamaky fôna na dia tsy tafametraka hafatra aza :-)

    Posté par Tokinao — 11 Mar 2008, 00:05

  18. Saro-kenatra be amin'ny voalohany....

    Ampiresaho ary izy ry zareo à ! dia mitohy.......:-)

    Posté par DadaRabe — 11 Mar 2008, 05:50

  19. faly mahafantatra

    enao izany ampiresahana voalohany fotsiny dia miresaka ho azy avy eo? Tsy mila miresaka intsony ilay iray :-P

    Ny fomba hialana sigara atoroko anao? Finiavana ihany.

    Posté par maintikely — 11 Mar 2008, 16:09

  20. ikalamako
  21. raha virtoaly kosa tsy mahasarokenatra an'i chryss e

    Posté par ikalamako — 13 Mar 2008, 13:09

  22. misaotra an'i Harilova, Dadarabe, Tokinao, indrindra fa i Maintikely izay mpametraka hafatra eto @tanana. Tsy tàna mitsy za ra vô ampiresahanareo eo. Iza indray zany raVirtoaly ry Ikalamako ??

    Posté par Chryss — 15 Mar 2008, 14:24

Powered by LifeType