Blog de Chryss

Ekeko ! n'inon'inona hitranga, aoka aho hatoky anao

La Une — Par istraky @ 14:20
Ekeko fa misy veloma tokoa
Atao amin'ny maty, harahina saona
Fa fara-veloma mangidy kokoa
Ho an'izay velona tsy afaka hihaona.

N'inon'inona hitranga, Jeso
Na ny lanitra ho manga, Jeso
Na ho maloka mangina, Jeso
Dia ho feno fifaliana, Jeso

Aza avela hahalala ny antony nanaovanao
ny hariva mamanala na ireo maraina vao
Tsy ho takatry ny saiko zay rehetra alahatrao
Ny angatahako ry Raiko, aoka aho hatoky Anao
Aza avela hanontany ny hafaliana atolotrao
na ny anton' ny tomany efa hitako hatrizao
Aza avelanao hanefy ny ampitso zay Anao
aza avelanao handrefy zay ho fitantananao

Powered by LifeType