Blog de Chryss

18 fé, 2008

Tononkira - Embona sy Hanina

Musique — Par istraky @ 08:29
Embona sy hanina,
Tsiahy mahafanina
Ngoly ny fo mamelovelo,
Madisadisan'alahelo.

Ny havoana tazanina,
Tsy hita ho dinganina
Fa lavitra loatra ianao ka tsy tratra
Ny aina marary ny fo maratra.

                        Fa ny antsoko ny akony no mitampody
                        Te hihiaka mafy anie aho fa tsy tody
                        Izay jerena toa manjavozavo
                        Rako-drahona sy vohitra avo.

                        Fa mahery sy masiaka ny onja
                        Tsy lakana afaka hitondra
                        Ny maso no alefa maminany
                        Hibanjina anao any ho any.

Alahelo sy toloko,
rehefa injay tsaroko
Fa noho ny hasomparan'ny tany ,
Izaho aty ianao lavitra any

Tsy azo hiadiana ny anjara,
'zay ngamba no noheveriny ho tsara
Izaho tsy ho kivy tsy ho ketraka
Na dia mangidy mavesatra.

                      Fa ny ahy dia fitia tena marina
                      Na anaty onaona aza ho tafarina
                      Na halevina mety mandifotra olona
                      Hiposaka, haniry, hamololona.

                      Ny hany hafatro dia ny hoe matokia
                      Fa izaho tsy hitsahatra ny ho tia
                      Ny halavirana sy ny taona
                      Tsy   hahasakana antsika tsy hihaona.

vu dans  Tononkira.org


Commentaires

Powered by LifeType